SOMPATRA Lyrics

Sompatra itony mpialona
Tsy mataho-tody itony mpisompatra
Raha ny fitiavana tsy nangalarina
Nefa somparany tsy hiorim-paka

Sompatra itony mpialona
Tsy mataho-tody itony mpisompatra
Raha ny fitiavana tsy nangalarina
Nefa somparany tsy hiorim-paka

Tia any aho, tsy avelan'i dada
Manina any aho, sakanan'i neny
Aza manody aza manangatra
Izany mbola tia kanefa nosakanany ô

Anaran-tany Soavinandriana
Fitsangatsanganana mahasondriana
Maika raha miaraka roa na telo
Masoandro maty no mampalahelo

Tsy hitako anie ny hanaovako anao lala ô
Ataoko eo aloha tsy mahatari-dalana
Ataoko aoriana toa olo-manaraka
Tsy hitako anie ny hanaovako anao lala ô

Sompatra itony mpialona
Tsy mataho-tody itony mpisompatra
Raha ny fitiavana tsy nangalarina
Nefa somparany tsy hiorim-paka

See also:

102
102.34
อาหรั่ง คนเคยเจ็บ Lyrics
S.E.S ft. ??? ?? ??? Lyrics