HO ANAO IO GMMC Lyrics

esoa no miantso izao
Anao izay mihaino io
Moa vonona ianao
Hiara-dia aminy ho doria

K'aza variana sao
Hanenina ianao
Rehefa maty anie
Na makany an-danitra na afobe

Aza mangataka
Hoe aoka aloha na hoe rahampitso lava izao
Fa i Satana anie
Miandry anao ho kitozan'ny afobe

Fa hasambarana
No omen'ny Tompo ho an'izay mandray Azy
Fa i Jesoa anie
Miandry namana handova lanitra e!

Angamba hoy ianao
Be ny ota izay natao
Handray ahy ve Jesoa
Izaho maditra sy tsy mendrika koa

Tsarovy ilay jiolahy
Nohomboina tamin'ny hazo
Vao niaiky ny helony
Nihaona tamin'i Jesoa tam-Paradisa

Aza mangataka
Hoe aoka aloha na hoe rahampitso lava izao
Fa i Satana anie
Miandry anao ho kitozan'ny afobe

Fa hasambarana
No omen'ny Tompo ho an'izay mandray Azy
Fa i Jesoa anie
Miandry namana handova lanitra e!

Miandry anao............
Miandry anao Jesoa tia....

See also:

102
102.37
1.Varios Yo lo que quiero es irme de fiesta(1) Lyrics
Lynnsha Tandem Lyrics